NY TOLOTRAO NO TENA FITIA Tonony / FeoPère Augustin Rakotonomenjanahary
VAVAKA HIRA KATOLIKA VAVAKA HIRA KATOLIKA
3.44K subscribers
66,471 views
304

 Published On Apr 14, 2022

👉🎁   • Satria tiako ianao Maria (Hira fihobi...  
1- Tompo ô, atolotray Anao ny fonay mba ho iray
Tolory fitia toy ny Anao ka hamasino re
Mba hahery hamakivaky ny onjam-piainana
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria

Mba raiso re, raha sitrakao
Raiso ry Ray ô, mandrakizay
Mba raiso re, raha sitrakao
Raiso Ray ô, mandrakizay

2- Tompo ô ambaranay Anao 'zato fikasanay
Ity mofo ‘zay atolotray: ho Vatanao re
Ka vokiso ny Fitiavanao izany fiainanay
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria

3- Tompo ô apetraka Aminao ny ahiahim-ponay
Ato anatin’ny divay izay hiova ho Rànao re !
Fenoy ny famindram-ponao ny fiainanay ety
Ny tolotrao e no tena fitia, Fitia maharitra ho doria

show more

Share/Embed